Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Fantina sy fintina

$
0
0

Kandidàn’ny Arema amin’ny fifidianana loholona ao Mahajanga, ny Dr Hajiky Alain Richard. « Hametraka lalàna azo tanterahina hampivoarana ny fiainam-bahoaka izahay. Fahavalonay ny mpandika lalàna… Hametraka fanjakana tan-dalàna isika.  Hapetraka ny fampivoarana mitovy lenta ny aty Mahajanga ary hotadiavina ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana. Hanangana fotodrafitrasa samihafa », hoy izy, omaly tamin’ny resaka nifanaovana taminy teny Faravohitra. Nanteriny fa mandala ny fampihavanana izy ireo ary hiaro ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka. Manana traikefa amin’ny sehatra maro ny tenany ary mpikambana amin’ny antoko sosialista frantsay.

Mitsipaka ny kandidàn’ny HVM amin’ny fifidianana loholona any Toliary ireo ben’ny Tanàna HVM 32 any amin’ny faritr’i Menabe. Nanao fanambarana tao Morondava izy ireo, omaly, naneho izany. « Efa nanolotra lisitra mialoha izahay mba ho kandidà, saingy nosoloina olon-kafa indray izany. Tsy tompon’andraikitra amin’io kandidà io izahay ben’ny Tanàna avy amin’ireo distrika dimy aty Menabe », hoy izy ireo.

Marihina fa mitarika ny lisitry ny kandidàn’ny antokon’ny fitondrana any Toliary, ny Praiminisitra teo aloha, Kolo Roger.

Cet article Fantina sy fintina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles