
Nilatsaka ny toromariky ny fitondrana foibe. Tsy handefitra amin’ny fiverenan’ny korontana sy rotaka ny solontenam-panjakana any an-toerana. Nihaona amin’ny mpanao gazety nanambara izany ny Prefet ao Toamasina.
Hentitra ny Prefet ao Toamasina, Benadrasana Cyril araka, ny tafa nataony amin’ny mpanao gazety, omaly tany an-toerana. « Hiroso amin’ny fisamborana tsy hisafidianana na iza na iza ny mpitandro ny filaminana raha mbola miverina ny fifandonana nandratrana olona tahaka ireny. Tsy ekena koa ny fampiasana olona ivelan’ny mpiasa eo anivon’ ny tranom-panjakana », hoy izy.
Etsy ankilany anefa, nampiomanana ny hitarika vahoaka ny fianakavian’ ilay naratra mafy miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny hopitaly be fa hamaly faty ireo « gro bras« , miara-dia namin’ny ben’ny Tanàna. Tahaka izany koa ny fianakavian’ ilay renim-pianakavaina nodarohan’ny tale kabinetra.
Nanamafy izao fandraisana andraikitry ny any Toamasina izao ny minisitry ny Atitany. « Manana solontena any an-toerana ny fanjakana. Eo ny OMC, ny fitsarana, ny mpitandro filaminana, samy manao ny asany. Misy adidy sy andraikitra mipetraka amin’ny ben’ny Tanàna koa anefa ka tokony ho sahy izy. Ilaina ny fahaiza-manao sy ny fanetren-tena. Raiamandreny izy ka tokony hahita vahaolana », hoy i Mahafaly Solonandrasana.
Notsiahiviny fa tompon’andraikitra amin’ny fametrahana fitoniana ny ben’ny Tanàna ka tsy tokony ho tafiditra amin’ny fifandrangitana.
Nanteriny koa fa tsy misalovana ny andraikitry ny any amin’ny faritra ny minisitera nefa koa tsy mitazam-potsiny. « Mahavita azy ny solontenam-panjakana any. Hajaina ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana ary samy manana ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay », hoy izy.
Synèse R.
Cet article Rotaka ao Toamasina : hiroso amin’ny fisamborana ny mpitandro filaminana… est apparu en premier sur NewsMada.