
Andraikitry ny rehetra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Nanova paikady, noho izany, ny ao amin’ny distrikan’Ambato Boeny. Nampandraisina anjara mivantana amin’izany ireo mpanao gazety sy mpanentana fandaharana, indrindra ny avy amin’ny haino aman-jerim-bahoaka ao an-toerana. Tanjona ny hampitana haingana ny vaovao sy izay tsara ho fantatra manoloana ny toe-draharaha.
Hatao kaominina filamatra hampiharana izany ny ao Anjiajia, kaominina mafampana amin’ny tsy fandriampahalemana. Nasiana rantsana mpampita vaovao isaky ny fokontany, hahafaha-mahafantatra ny fifindrafindran’ny dahalo. Alefa mivantana amin’ny radiom-paritra ao Ambato Boeny tampon-tanàna izany. Miara-miasa amin’ireo mpanao gazety sy mpanentana ireo sefom-pokontany any an-toerana, araka ity tetik’asa ity.
Fanentanana ny mponina hanamafy ny andrimasom-pokonolona koa io. Aorian’ny andrana ao amin’ny kaominin’Anjiajia, hampidirina ao anatin’ny tetik’asa koa ireo fokontany 120 avy amin’ny kaominina 12 ao Ambato Boeny. Resy lahatra ny hahombiazan’izany ireo manampahefana ao an-toerana.
Zo. Ra.
Cet article Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : mihetsika ny mpanao gazety ao Ambato Boeny est apparu en premier sur NewsMada.