
Nahoraka teny amin’ny cite Itaosy ny fakana an-keriny tovovavikely manodidina ny 14 taona eo, omaly hariva. Voalaza fa hoe nalaina fiara 4×4 miloko maintsy ireo ankizy ireo…
sAraka ny fanazavana azo avy amin’ny mponina eny an-toerana, mpianatry ny CEG Andranonahoatra ireo, telo vavy niaraka, nirava avy nianatra, ka nisy fiara 4×4 nanaraka. “Nosintonina tao anaty fiara ny iray nanamorona ny arabe, niezaka nanavotra ny namany ny faharoa, kanjo voasarika tany koa. Ny fahatelo, stafatsoaka ary namonjy fodiana nitantara tamin’ny ray aman-dreniny”, hoy ny filazan’ny mponina eny Itaosy. “Teo amin’ny Parking no nitrangan’izany ary nisy nahatazana ihany” , hoy ny hafa. Nilaza ny teo anivon’ny mpitandro filaminana rehefa nanontaniana momba ity fakana an-keriny sy fanjavonana ity fa tsy nahavoaray fitarainana momba izany izy ireo. Nisy kosa anefa ny filatsahan’ny polisy sy ny zandary nanao fisafoana teny amin’ny Cite Itaosy, omaly, hariva nanamarina momba ity tranga ity. Tsy mbola nisy akony aloha ny vaovao momba izany.
Ny herinandro ambony lasa teo, tovovavy mpianatra amin’ny oniversite tsy miankina iray nisy naka an-keriny naiditra tao anaty fiara 4×4 iray teny Antaninarenina ambanin’ny Roxy. Voalaza fa nanao akanjo mitovy amin’ireny mpiambina manokana ireny ireo, ary nametra-panontaniana maromaro tamin’ilay tovovavy. Nikasa hitsoaka izy, saingy nohidin’ireo olona ny varavarana. Teo amin’ny Bmoi anefa voavahan’ilay tovovavy tampoka ny varavarana ary tafatsoaka izy. Lasa resabe eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ity hoe 4×4 fitaratra mainty maka tovovavy ity. Miteraka horohoro ho an’ny mponina izy ity, ka mila ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana.
Yves S.
Cet article Itaosy : tovovavy roa voalaza fa nisy naka an-keriny est apparu en premier sur NewsMada.