
Fitoniana ara-politika nanomboka omaly ! Matoa asiana ny fitoniana, tsy nilamina izany nandritra ny taona. Adilahy politika e ! Hangingina daholo izany izy rehetra, afa-tsy ireo mpanao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona, ny 29 desambra izao.
Hay azo atao ihany ny mampitony ireo mpanao politika sy ny resaka politika. Raha izany, tokony ho azo atao koa ny mampitony saina ny sarambabem-bahoaka amin’izao ankatoky ny fety izao. Efa tsy ho azo iainana intsony mantsy ity tsy fandriampahalemana miseho isan’andro ity. Raha tsy voatafika ny trano, voaendaka eny an-dalana mody, na alain’ny sasany an-keriny. Na an-tsaha na an-tanàna, tsy afa-bela ny mponina. Mila fitoniana izany !
Tsy ny tsy fandriampahalemana ihany, ny fotodrafitrasa iainana andavanandro koa, tsy mampisy fitoniana sy filaminana. Fitohanan’ny fifamoivoizana mila hampiteny ny moana, hoy ireo be filaza. Noho ny inona ? Fa ity faharatsian’ny lalana saika manerana ny tanàna ity e ! Fiara fitateram-bahoaka sy an’ny sarambabem-bahoaka no betsaka mivezivezy, fa ny an’ireo « olona ambony », toa tsy mahafantatra loatra izany. Na mandeha aza, mbola fiara tsy mataho-dalana ara-bakiteny koa. Tsy dia mipaka any aminy loatra, angamba, ny faharatsian-dalana. Izany rehetra izany, iainana sy iaretan’ny mponina avokoa. Tsy afa-manoatra na te hiteny aza noho ny tsindry isan-karazany mianjady aminy. Tonga amin’ilay fitenenana hoe « ala faditr’ilay moana : ny vava tsy miloaka fa ao am-po no manisaisa ». Mba rahoviana tokoa ny mba hitsinjo azy ireo ny mpitondra ka hisian’ny fitoniana sy filaminana ? Asa, mbola lakalaka izany, fa ny tena azo antoka, miandry ny fahatongavan’i Mesia ny kristianina hampanjaka ny fahamarinana hitondra fiadanana. Tapa-bolana sisa dia ho avy izany andro izany. Soa fa mba misy ny Krismasy mitondra fanantenana, ary ho avy ny taom-baovao hanovana famindra. Mila fitoniana ny rehetra.
Andry Fenomanana
Cet article Fitoniana hoe ? est apparu en premier sur NewsMada.