Nahomby ny ezaky ny andrimasom-pokonolona. Tafaverina amin’ny tompony noho ny finiavan’izy ireo ny omby 31 teo am-pelatanan’ny dahalo, tao Antsalova, faritra Melaky. Nifarimbona tamin’ny fanaovana ny fanarahan-dia ireo dahalo ny fokonolona, ny mpikambana ao amin’ny « Dinabe », ireo andrimasom-pokonolona ary ny mpitandro filaminana avy ao Antsiakory, fokontany Ankotrofotsy, distrikan’Antsalova.
Tratra ara-potoana ny fampitam-baovao nataon’ireo andrimasom-pokonolona tamin’ny mpitandro filaminana. Vaky nandositra, noho izany, ireo olon-dratsy fa nanahy ny hifandona amin’izy ireo. Ny omby sisa navelany. Notanana ao an-drenivohitry ny distrikan’Antsalova ireo omby izao, mba hahafahan’ny tompony maka ny azy tsirairay avy. Mila mitondra taratasy fanamarinana maha tompon’omby anefa izay manana omby very.
Zo. Ra.
Cet article Antsalova : omby 31 tafaverina amin’ny tompony est apparu en premier sur NewsMada.