
Mitombo ihany ny fahavoazana vokatry ny orambe teto an-drenivohitra, afakomaly. Ankoatra ireo olona 3 maty lasan’ny rano, tetsy Besarety, ankizivavikely iray indray, omaly, no maty nianjeran’ny tamboho, tetsy Faliarivo Ambanidia. Naratra mafy kosa ny rahavavikeliny.
Ilay ankizivavikely 14 taona, zokiny no tsy afa-niala fa tototry ny tamboho tamin’io fotoana io. Araka ny fanazavan’ny nenitoan’izy ireo, izy mirahavavy ihany no tao an-trano fa mbola tratry ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-dalana kosa ny ray aman-dreniny izay tsy nanampo na inona na inona. Nirodana tampoka anefa ilay tamboho manamorana ny tranon’izy ireo ka nifatratra tamin’ity trano nisy azy mirahavavy ity. Tsy vitan’izay fa mbola nianjera tamin’ny trano hafa mifanila amin’ny tranon’ireo niharam-boina koa ny ampahany tamin’ilay tamboho nianjera. Avotra soa aman-tsara, araka izany, ilay zandriny 8 taona ary efa nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly. Niala nenina namonjy ilay zokiny ihany ny fianakaviana, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Rava ihany koa ny trano fonenan’ilay fianakaviana niharam-boina vokatr’izany. Nanamafy rahateo ny mpifanolo-bodirindrina amin’ireo niharam-boina fa ranobe no niainan’izy ireo mialoha ny nianjeran’ilay tamboho.
Ny olona teo an-tanàna no nifanome tanana tamin’ny fikarakarana sy ny famonjena ireo niharam-boina, araka ny fanazavana hatrany.
Mangataka amin’ny tompon’ilay tamboho nianjera tao amin’ny tranon’ireo niharam-boina, ny rain’ilay ankizivavikely niharam-boina mba handray an-tanana amin’ny fikarakarana satria mivarina ao an-tanànan’izy ireo avokoa ny lalan’ny rano ka nahatonga izao loza izao.
Araka ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetr’andro, ahina ny mbola mety ho fihotsahan’ny tany vokatr’iny orambe nikija iny. Voakasik’izany ny eny manodidina ny Manjakamiadana, Ambohipotsy. Aoka ho mailo araka izany, amin’ireny trano na tamboho ahina hianjera tampoka ireny mba hisorohana amin’ny loza tampoka.
Ankoatra ireo 2 maty tetsy Besarety, mbola tsy hita popoka ny ankizy iray
Araka ny fanazavana avy amin’ny polisy, telo ny isa eo am-pelatanan’izy ireo momba ireo olona namoy ny ainy nandritra ny oram-be ka nampiakatra ny rano teny Besarety afakomaly. Lehilahy iray 55 taona, vehivavy iray 35 taona ary ankizy iray voalaza fa mbola tsy hita popoka. Raha ny fanazavana azo ihany, mety efa nentin’ny rano avy any ireo razana ireo fa tsy teo Besarety no nahafaty azy. Tsy nisy nahita rahateo ny loza nitranga, fa ireo razana efa nentin’ny rano no hitan’ny olona. Tonga teny Besarety nanao ny fanadihadiana rehetra ny polisy omaly maraina.
J.C sy Yves S.
Cet article Ankoatra ireo olona 3 maty lasan’ny rano tetsy Besarety : ankizy iray maty nianjeran’ny tamboho tetsy Ambanidia est apparu en premier sur NewsMada.