Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Indray mijery

$
0
0

 Hotanterahina ny 19 sy 20 febroary izao eto Antananarivo ny fihaonamben’ny mpamatsy vola miantsehatra amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Iarahana amin’ny governemanta malagasy sy ny vaomiera manokana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina (COI) ny fanatanterahana izany. Tohanan’ny Cirad ihany koa ity fihaonambe ity.

Tanjona ny hanetsehana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hiaraka amin’i Madagasikara hametraka ny politikan’ny fiahiana ara-tsakafo eto amin’ny firenena mba hampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Manerana ny Nosy, mbola ahitana olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo avokoa. Ambony kosa ny tahan’izany any amin’ny faritra Atsimo. Manaporofo izany ny kere nahafaty olona maro any an-toerana.

Cet article Indray mijery est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles