Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Hosodoko : ranty hanampiana ny sahirana

$
0
0
MICHEL18FEV

 Hanatontosa fampirantiana ireo sanganasany manodidina ny 30 isa  eny amin’ny Galerie Hai-Kanto, ao amin’ny toerana misy ny Multiplex, i Michel Randria, mpanao hosodoko efa fanta-daza hatrany ivelany, ny asabotsy 28 febroary izao. Iarahany manatanteraka amin’ny fikambanana Hai-Kanto ity hetsika ity ho fandraisana anjara amin’ny fiahiana ireo ankizy tsy misy mpiahy.

Nomarihin’i Michel Randria fa na amin’io asabotsy io ihany aza ny faharetan’ny fampirantiana, hipetraka ao amin’io toerana io, mandritra ny andro vitsivitsy, ireo tabilao tsy lafo ho an’ireo olona tsy hahatratra ny fampirantiana. Hisongadina kokoa, amin’ny alalan’ny hosodoko loko menaka, ny fiaimpiainan’ny Malagasy andavanandro, raha ny nambarany hatrany.

Mikasika ny fandaharanasan’i Michel Randria amin’ity taona 2015 ity, fantatra fa hisy ny fampirantiana iraisam-pirenena handraisany anjara, any ivelany any. Hiarahany amin’ireo malagasy mpanao sary hosodoko mipetraka any Eoropa ity fampirantiana ity ka ho fantatra aoriana kely ao ny fotoana sy ny toerana hanaovana izany.

Etsy andaniny, « hisy foana ny hetsika ara-hosodoko hatao eto an-toerana », hoy hatrany i Michel Randria.

Jeannot Ratsimbazafy.

Cet article Hosodoko : ranty hanampiana ny sahirana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles