Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

CEG, Ambalahasina – Maroantsetra : nivarotra ny vatsiny avokoa ny mpianatra

$
0
0
maroantsetra

Tsy milamina ny fampianarana ao amin’ny CEG Ambalahasina vokatry ny zavatra ataon’ny talen-tsekoly. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra ny mpianatra hijery akaiky ny zava-misy
Sahiran-tsaina ireo mpianatra avy any ambanivohitra manodidina ny kaominina
ambonivohitr ‘i Maroantsetra ka mandranto fianarana ao an-toerana, indrindra
ny ao amin’ny CEG Ambalahasina.

Noteren’ny talen’ ity sekolim-panjakana ity handoa vola 3.000 Ar isaky ny mpianatra ny iray sekoly fa hividianana omby hanaovana fety mandritra ny Andron’ny sekoly ny anio sy
rahampitso ary ny zoma izao.

Raha ny loharanom-baovao manoloana ity raharaha ity, tsy eken’ny talen-tsekoly hiatrika fanadinana izay atao aorian’ny Andron’ny sekoly izay mpianatra tsy mandoa an’ io vola io. Tsy izay ihany fa telo andro tsy mahazo mianatra.

« Raisinay ho fanaovana jadona amin’ ity sekolim-panjakana ity izao toe-draharaha izao ka miantso ny tomponandraikitra mahefa izahay mba hijery akaiky ity raharaha ity. Fanapahan-kevitra tsy noraisiny tamin’ny fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra akory fa
sitrapon’ny tale sy ireo mpandraharaha eo anivon’ ity sekoly ity « , hoy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao an-toerana.

Vokatr’ ireo rehetra ireo, lasa mivarotra ny vatsy izay alefan’ny ray aman-dreniny aminy ireo mpianatra izay maro no avy any ambanivohitra. Matahotra amin’ny mety tsy hahafahan’ny zanany miatrika fanadinana sy tsy afa-mianatra telo andro izy ireo.

Tsy misy hanina, noho izany, ireo mpianatra mandranto fianarana ao an-drenivohitr ‘i Maroantsetra amin’ny afitsok’ity sekolim-panjakana ity.

Sajo

Cet article CEG, Ambalahasina – Maroantsetra : nivarotra ny vatsiny avokoa ny mpianatra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles