Mifandroritra tany eny Androhibe ny fiangonana loteranina (FLM) sy ny mponina. Fototry ny olana, ny fahazoan’ny FLM ny tany misy kianja fanaovam-baolina. Tanim-panjakana ity iadiana ity, ary nanao fangatahana ny FLM. Niakatra fitsarana ny raharaha ary resy ny vahoaka.
Nahazo rariny hatrany ny FLM, saingy tsy manaiky izany ny vahoaka, ary manohana azy ireo ny depiote Naivo Raholdina. Nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, nandritra ny fifaninanana baolina kitra natao ny alahady teo, nambarany farany fa tsy miady amin’ny FLM ny solombavambahoaka, tsy misy idiran’ny resaka politika, fa mitaky ny anjarany ny vahoaka. Nilaza koa izy fa anisan’ny naharesy ny vahoaka ny tsy fahafahan’ny fokontany mangataka tanim-panjakana.
Manoloana izany, miantso ny fanjakana hijery akaiky ity olana ity ny depiote Raholdina, hanafoana ny didim-panjakana satria fitsinjovana ny hoavin’ny fanatanjahantena ity kianja ity. Raha tsy tanteraka izany, anjaran’ny vahoaka ny mandray andraikitra satria izy no tompon-teny farany. Hihaona amin’ny tale jeneralin’ny Fananan-tany ny tenany, anio talata.
Randria