Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70740

Fifidianana kaominaly haverina : ho tonga amin’ity herinandro ity ny biletà tokana

$
0
0
Cenit

« Ho tonga alohan’ny 30 oktobra ny fahatongavan’ny biletà tokana, na ny avy eo an-toerana na ny avy any ivelany », hoy ny filohan’ny Cenit, Ralaiariliva Ndriana Mamy, teny amin’ny foiben’ny Cenit, Alarobia, omaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly haverina amin’ny ampahany, ny 13 novambra.

Aorian’izay ny fanapariahana ireo biletà tokana ireo any amin’irao kaominina 19 hanatanterahana izany, araka ny fanazavany. Efa tonga ny 23 oktobra lasa teo ny biletà tokana hanaovan’ireo kandidà fampielezan-kevitra.

Hisy kaomisera momba ny fifidianana isaky ny kaominina 19 hamerenana io fifidianana kaominaly amin’ny ampahany io. Nomena fampiofanana àry ireo mpampiofana amin’izany, teny amin’ny Cenit, Alarobia, omaly. Hanofana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana izy ireo.

Tsy maintsy hanaovana ny fampiofanana eo amin’ny renivohitry ny kaominina hamerenana ny fifidianana, ny 10 na 11 novambra ho avy izao, mialoha ny fifidianana hatao ny 13 novambra. Handrindra sy handamina ary hanara-maso ny fanatanterahana ny fifidianana ireo kaomisera momba ny fifidianana.

Tsy misy miova ny kandidà sy ny biletà amin’izao fifidianana kaominaly haverina amin’ny ampahany izao.

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70740

Trending Articles