
Na teo aza ny savorovoro, nizotra am-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tany Cote d’Ivoire, afakomaly. « Tanteraka tao anaty mangarahara sy azo antoka ary tanaty fitoniana ny fifidianana fihodinana voalohany. Nahatratra 60% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy”, hoy ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CEI), omaly tamin’ny haino aman-jery.
Nohamafisin’ny Peace CI, nanara-maso ny fifidianana tany an-toerana izany. 80% anefa ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana efa-taona lasa.
Anisan’ny olana nefa voavaha ny fahataran’ny fanombohan’ny latsabato noho ny fitaovana elektronika, nanaovana ny fifidianana amin’ny alalan’ny “tablettes biometriques”.
Tsiahivina fa 10 ireo kandidà nifaninana raha 33 izany tany am-piandohana. Telo kosa ireo niala an-daharana tamin’ny fotoana farany. Tombanana fa mbola hibata ny fandresena ny filoha am-perinasa, Alassane Ouattara.
Tsy afa-bela amin’ny kolikoly
Na anisan’ireo firenena voalaza fa misandratra ara-toekarena aty Afrika aza i Cote d’Ivoire, mbola mahazo laka ny kolikoly any an-toerana. Eo koa ny fahantrana sy ny herisetra na tsy fandriampahalemana amin’ireo kartie samihafa any amin’ity firenen’i Drogba ity.
Antony nilatsahan’i Ouattara fanindroany ny hampiakarana ny toekarena ivorianina. Eo koa ny hanomezana asa ny tanora, amin’ny alalan’ny fampiasam-bola faobe, hiakaran’ny fahefa-mividin’ny vahoaka.
Firenena niaina ady an-trano tamin’ny efa-taona lasa rahateo i Cote d’Ivoire.
Synèse R.