Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Tsy fandriampahalemana : mikaon-doha ireo manambonahitra mitazona fibaikoana

$
0
0
zandary

 Tanterahina nanomboka omaly, eny amin’ny « Salle d’honneur » Toby Ratsimandrava ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe fanaon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandariamariam-pirenena.

Haharitra dimy andro ny fikaonan-doha ataon’ireto tompon’andraikitra ambony ireto ka ireo manambonahitra ambony mitazona fibaikoana maneraka ny Nosy avokoa ireo mandray anjara.

Nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Paza Didier, fa mifantoka amin’ny lohahevitra maro ny dinika rehetra, anisan’izany, ny fanaovana jery todika  ny asa vita mba hanatsarana ny asa mbola hotanterahina. Eo koa ny tetika hametrahana fandriampahalemana maharitra mba hampahomby ny asa fiharian’ny vahoaka sy ny famerenana ny hasina amin’ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana. Farany, ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny basy eny amin’ireo olon-dratsy.

Nohamafisin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Rakotozafy Dominique, fa na eo aza ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny vola enti-miatrika amin’ny tsy fandriampahalemana, tsy hiraviravy tanana ny Foloalindahy fa hanao ny asa nampiandraiketina azy hatrany.

Miandry vokatra avy hatrany, araka izany, ny valalabemandry mba tsy ho resaka ambony latabatra fotsiny satria tato ho ato, manao ny ataony hatrany  ny jiolahy mitam-piadiana. Maro ireo olona efa namoy ny ainy.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles