Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70696

Fanondranana olona an-tsokosoko : Fiangonana zandriny ao Mahajanga voarohirohy

$
0
0
Mahajanga

 Vehivavy iray nidoboka am-ponja vonjimaika ao Mahajanga, pasiterana sekta iray nahazo fahafahana vonjimaika, izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanondranana zazavavikely enin-taona any Kenya Mombassa.

Araka ny fanazavana voaray, ny volana avrily 2015 lasa teo, namonjy fotoam-bavaka tao amin’ny fiangonana sekta iray ao Mahajanga ny renim-pianakaviana iray. Nandritra io fotoana io, nisy ramatoa iray niaraka tamin’ny pasitera iray nanatona io renim-pianakaviana io. Niresaka taminy ireto olona roa (pasitera sy ilay ramatoa) ireto fa afaka manampy olona sahirana ara-pivelomana izy ireo. Niezaka nandresy lahatra azy hatrany ilay pasiterana sekta mba handefa ny zanany. Tsy nahaleo ny fandresen-dahatra nataon’izy ireo anefa ilay renim-pianakaviana ka tapa-kevitra handefa ny zanany vavikely vao enin-taona ho any Kenya Mombassa. Ny 14 mey 2015 lasa teo no nialan’ity zazavavikely ity teto Madagasikara. Ilay ramatoa naman’ny pasitera no niantoka ny saran-dalana sy ny taratasy rehetra momba ny fandehanany. Nametraka fitoriana tao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava ny renin’ilay zazavavikely. Fantatra nandritra ny famotorana rehetra fa tsy misy taratasy avy amin’ny fitsarana na fitondrana malagasy na ny « delegation d’autorite parentale ». Vokatr’izany, naiditra am-ponja avy hatrany ilay ramatoa atidoha nikotrika ny fanondranana raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa, ilay pasitera sekta. Namoahan’ny fitsarana didy fisamborana kosa, ny teratany keniana ao Mombassa, izay voalaza fa nandray io zazavavikely io. Aoka ho mailo hatrany amin’itony fiangonana sekta milaza fa mahay fahagagana itony fa zava-kafa daholo no ambadik’izy ireny.

Jean Claude


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70696