
« Rahoviana no hitranga ? Asa, angamba atsy ho atsy… ». Tononkiran’ny tarika Mahaleo izany, mitory zavatra andrasana fa tsy mety tonga. Mbola miandry aloha, hatreto ! Hain’ny ankamaroantsika rehetra, angamba, ny tohin’io hira io, anisan’ny nalaza ary mbola eny am-bavan’ny Malagasy hatramin’izao.
Fa tsy Bemolanga, araka ny voalazan’ilay tononkira, no andrasa izao fa ny hitsaharan’ny delestazy tanteraka mampahory ny mponina eto Madagasikara iray manontolo. Potika ny fihariana izay miantraika any amin’ny ativilanin’ny tsirairay. Miakatra ho azy ny vidim-piainana manaraka ny fiakaran’ny feo avon’ny vahoaka, mitaraina amin’ny adim-piainana.
Feo avo, miantso vonjy eny anelakela-trano eny. Noho ny asan-jiolahy manararaotra ny haizina. Firifiry ireo niharan’ny herisetran’ny mpisotasota sy ny mpanendaka vokatry ny haizina ateraky ny fahatapahan-jiro. Tsy mandry ny tany fa mandry an-driran’antsy kosa ny vahoaka.
« Taona maro firifiry, nantenain-kitondra soa… ». Mbola ampahany ao amin’ilay tononkiran’ny Mahaleo ihany io. Hatreto, mby aiza ny lokalokan’ny mpitondra isanisany nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny. Ho foana, hono, ny asan-dahalo mampikaikaika ny mponina any atsimon’ny Nosy. Ny zava-misy, toa vao mainka mirongatra izany. Lasa ny samy tomponandraikitra indray no mifampitady sy mifampiampanga, eny ambony latabatra eny. Mba rahoviana ihany àry ? Ny fotoana tsy miandry fa miroso hatrany. Efa ho telo taona ity no lasa !
Be ny vinan’asa fa ny fanatanterahana azy, mbola ifampiandrasana andraso. Ho foana ny delestazy manomboka anio, araka ny fampanantenana. Efa ela ihany izay fa mbola io izy io ihany. Ho hita eo izay hiseho anio. Toa efa fomba mahazatra ny mpitondra nifandimby teto mantsy ity manao ampitso ampitso lava ity. Nefa, ny ampitso, mbola mifono mistery, tsy hay vinaniana toy ny fomba fanaovana politika eto amintsika, anio manga ; rahampitso mety hivadika mena indray. « Aoka ny ampitso no hitsara ny anio », hoy ny fomba fiteny izay. Samy hotsaraina amin’izany nolazainy ny rehetra !
Andry Fenomanana