
Noho ny fisian’ny ady sy ny fifamonoana any Bangui, renivohitry ny Repoblika Centrafrique, amin’izao fotoana izao, nanapa-kevitra ny biraon’ny komisiona, mikarakara ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Rosia, ny taona 2018 fa afindra ny kianja hanaovana ny lalao mandroso hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny ekipam-pirenen’i Centrafrique. Fihaonana tokony hatao ny alakamisy 8 oktobra ho avy izao, ao Bangui.
Toerana roa, araka izany, no hatolotry ny mpikarakara ny federasiona baolina kitra ao Centrafrique (FCF), hanaovana ny lalao. Voalohany, misafidy kianja iray ivelan’i Centrafrique, tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa, izay tsy mandray fihaonana fifanintsanana, amin’io fotoana voatondro io.
Faharoa, na hotontosaina eto Madagasikara io lalao mandroso io, izay efa vonona ny hampiantrano ny fihaonana miverina ny alahady 11 oktobra. Ho fantatra anio izay ho valin-tenin’ny federasiona Centrafrique mahakasika izany.
Mahakasika ny Barea, hanomboka anio, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny fanazarantenan’ireo mpilalao eto an-toerana. Tsy mbola fantatra kosa, ny mahakasika ireo mpilalao mpila ravinahitra satria hiankina amin’ireo fifaninanana hatrehiny, ny hahatongavan’izy ireo na tsia.
Tompondaka