Madagascar All Stars. Tsara faneno ny anarana, ary « mamono lolo », araka ny filazan’i Dama azy. Kintan’ny mozika malagasy tokoa no mandrafitra ity tarika ity, ary tsy maintsy miezaka mamiratra any ivelany any…
Tsy any ihany anefa. Ilaina dia ilain’ny mpiray tanindrazana ihany koa ny migoka ny zavakanto, indrindra fa amin’izao fotoana manahirana azy izao. Sambany ny Madagascar All Stars no hisehatra eto an-tanindrazana, na efa nitsangana an-taonany maro aza.
Aleo tara toa izay tsy misy. Faly ny rehetra fa hanolotra valim-babena ireo kintan’ny kanto. Marina fa misy ilay fitenenana hoe « ny mpaminany tsy masina an-taniny », kanefa inoana fa tsy mitombina amin’ny sehatry ny mozika izay.
Niainga tamin’ny fototra, miverina amin’ny fototra. Ankoatra ny Madagascar All Stars, mba hantenaina hanao toy izany avokoa ireo milomano amin’ny sehatra rehetra…
Zo ny Aina