Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70409

Tapatapany

$
0
0

Menaka tsy ara-dalàna : Miparitaka ao Toliara amin’izao fotoana izao ny karaza-menaka manopy voloparasy izay mora vidy kokoa raha oharina amin’ireo menaka hafa fampiasa an-dakozia. Nohon’ny fahefa-mividy ambanin’ireo mponina dia roboka mividy ity menaka ity avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Araka ny fanazavan’ireo mpitsabo anefa dia tsy ara-pahasalamana sy tsy ara-dalàna ity karaza-menaka ity satria dia mety ho efa lany daty ary mampirongatra homamiadan’ny aty. Fantatra fa efa maro rahateo no tsaboina any amin’ny hopitaly ao an-toerana nohon’ny fampiasana ity menaka ity.

Bakalorea: Anio, eny amin’ny “Cathédrale Médecine » no fantatra fa hanatontosana ny fanapahan-kevitra farany mikasika ireo tokony ho afahana amin’ny fanadinana bakalorea farany teo na ny “délibération”. Omaly dia nisy ny fiantsoana nataon’ny teo anivon’ny ofisim-pirenena mikasika ity fanadinam-panjakana ity ho an’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fitsarana izany bakalorea izany mba ho tonga hanatrika io “délibération” io. Ny asabotsy aorian’io, izany hoe rahampitso anefa araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra dia tokony hivaly ity fanadinana ity.

Hetsika fahalemana any atsimo: Misy hatrany ny vokatra azo tsapain-tanana momban’ny famoriana ireo omby halatra any atsimo amin’ny alalan’ny hetsika fahalemana hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena , ny Jeneraly Dominique Rakotozafy. Betsaka anefa hoy izy no manankiana izany nohon’ny tsy fitoviam-pijery sy ny tsy fahafantarana nypaikadin’ny tafika Malagasy. Minisitera maromaro no fantatra fa miara-misalahy ankehitriny mba hanatontosana io paikady io. Mbola mitohy amin’izao fotoana izao moa ny fifanandrinana eo amin’ireo dahalo sy ny mpitandro filaminana any atsimo any.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70409

Trending Articles