Natao tao amin’ny lapan’ny Fitsarana Tampony, Anosy, omaly, ny lanonana manetriketrika fandraisana ny fianianan’ireo fito mianadahy mpikambana voatendry ao amin’ny Filankevitry ny Fifaninanana. Efa 10 taona izay no nahalanian’ny lalàna momba ny fifaninanana mba hisian’ny fitantanana mangarahara. Izao vao tafapetraka ity rafitra voalazan’ny lalàna ity. Alohan’ny handraisany ny asany, nanao fianianana ireo ao amin’ny Filankevitra araka ny satan’izy ireo sy ny didian’ny lalàna.
Nomarihin’ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline fa rafitra vao natsangana izy io, iatrehana ny fanatontoloana. Hitsara ny fifaninanana ara-barotra eo amin’ny samy mpandraharaha na samy mpivarotra ny Filankevitry ny Fifaninanana? Manao fanadihadiana izy ireo rehefa misy fitarainana. Nanamarika anefa ny mpikambana, Barthélémy fa na misy na tsia ny fitarainana, afaka mandray andraikitra avy hatrany manao fanadihadiana izy ireo raha mahita raharaha tsy mazava eo amin’ny sehatry ny fifaninanana.
Manolo-tsaina aloha
Tsy rantsana tonga dia manome famaizana ny Filankevitry ny Fifaninanana. « Mbola misy fanadihadiana lalina efa-bolana ataonay vao afaka mamoaka didy ara-dalàna ny Filankevitry ny Fifaninanana », hoy ny mpikambana, Barthélémy. Alohan’izany, manolotra soso-kevitra na sori-dalana amin’ny minisiteran’ny Varotra ao anatin’ny fampiharan-dalàna izy ireo. Manolo-tsaina koa raha misy ampihimamba hita na fitarainana.
Mandravona ny disadisa mba hisian’ny fifaninanana madio izy ireo. Tsy voatery ho famaizana avy hatrany no raisina raha misy fitoriana fa mandidy fampitsaharana avy hatrany ny tsy fanarahan-dalàna misy. Raha misy ny finiavana hanohy izany, miroso amin’ny fandidiana handoa onitra na lamandy mifandanja amin’izay tsy fanarahan-dalàna na hadisoana nataon’ilay orinasa nandika lalàna.
Zo. Ra.