
Mazava. Voahaja ny lôjika nandritra ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U18 zazalahy sy zazavavy. Fifaninanana tanterahin’ny federasiona malagasy (FMBB) miaraka amin’ny ligin’Amoron’i Mania, amin’izao fotoana izao, any Ambositra.
Raha ny eo amin’ny sokajy U18 zazavavy mantsy, mandeha mafy ny MB2All (Analamanga), tompondaka farany, taona 2014, sy ny Tamifa (Amoron’i Mania), ekipan’ny mpampiantrano. Samy tafita amin’ny ampahefa-dalana avokoa ireto ekipa mitana ny lohany isam-bondrona ireto. Ny FF-Pro-BCTM (Vakinankaratra) sy ny Serasera (Vakinankaratra) kosa no mitana ny laharana faharoa eo amin’ny vondrona “A” sy “B”.
Ankoatra izay, tafita ihany koa ny DTSC (Analamanga) sy ny MFB (Menabe) eo amin’ny sokajy zazalahy. Ankoatra azy ireto, tafita ihany koa ny ASCB ekipa avy amin’ny ligin’i Boeny.
Etsy andaniny, raha teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana indray, ny DTSC nandresy ny BCKT (Matsiatra Ambony) tamin’ny isa 88 noho 72, teo amin’ny zazalahy. Somary sahirana kosa ny SBC (Vakinankaratra), tompondaka farany, izay lavon’ny MFB tamin’ny isa mavesatra, 80 noho 53.
Miary Narindra