
Hitodika ao amin’ny kianja Twickenham avokoa ny mason’izao tontolo izao, manomboka anio. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy amin’ity zoma ity, ny fiadiana ny amboara eran-tany, amin’ny baolina lavalava. Hanokatra azy Angletera sy Fidji.
Hanokatra ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina lavalava anio, ny XV de la Rose avy ao Angletera sy ny Fidji, ho an’ny vondrona «A». Samy tsy hanao ambanin-javatra ity fihaonana ity, na ry zareo Anglisy na i Fidji. Raha ho an’i Fidji, avy hatrany dia handahatra ireo mpilalao efa kalaza sy za-draharaha i John Mc Kee, mpanazatra.
Na manana ny fahaiza-manaony aza i Josh Matavesi, naleony nisafidy an’i Ben Volavola, eo amin’ny toeran’ny «ouverture». Ain-dehiben’ny fandrindrana ny fanafihana eo amin’ny taranja rugby mantsy io toerana io ka izay no nandraisany fanapahan-kevitra hanoloana an’i Matavesi an’i Volavola.
Ireo mpilalao mila ravinahitra avy any Frantsa kosa no handrafitra ny «3è ligne» dia i Qera (Montpellier) sy Matadigo (Lyon) ary Waqaniburotu (Brive). Ankoatra izay, eo koa ilay «ailier», Nemani Nadolo, mpitsara baolina ikoizana, any Frantsa. Hanampy azy ireo, ilay «trois-quart», Waisea, izay milalao ao amin’ny Stade Français. Hanidy ny trano kosa ho an’i Fidji, i Bègles Met Talebula, ao amin’ny ekipan’i Bordeaux. Raha dinihina izany, saika mpilalao avy any Frantsa avokoa no betsaka amin’ireo 15 hiakatra kianja voalohany ho an’i Fidji.
Raha ho an’ny Anglisy indray, tsy nanova ireo mpilalao efa notazoniny hatramin’izay i Stuart Lancaster, mpanazatra ny XV de la Rose, ho an’ity fihaonana amin’i Fidji ity. Ireo izay efa nandresy tamin’ny lalao nikatrohany tamin’i Irlande, nandritra ny fihaonana fanomanana, no ajorony. Ny hany mety hiova fotsiny dia ny «troisième ligne centre» satria mety hosoloina an’i Morgan i Vunipola ary Brad Barrittt kosa no eo amin’ny «centre» fa tsy i Sam Burgess. Tsy mahasahy manao kinanga ity fihaonana amin’i Fidji ity ry zareo Anglisy na dia hilalao ao an-taniny aza, anio.
Tompondaka