
Nanao tombana ny zava-bitany tao anatin’ny dimy volana nitantanany ny tanàna ny PDS-n’ny tanànan’Antananarivo, Ramiaramanana Joseph. Tamin’izany no nitondrany fanazavana mikasika ny resaka mandeha momba ny tsenan’ny Pochard.
Nambaran’ny PDS fa tsy amidy ary tsy mbola lafo ny tsenan’ny Pochard. Tsy mikasa ny hivarotra izany koa ny kaominina hatramin’izao. Tsy tokony hiahiahy amin’ny mety ho fanesorana azy eo, araka izany, ny mpivarotra.
Mikasika ny fanamboaran-dalana, nolazain’ny PDS fa fanitarana ny lalana ho azon’ny fiara efatra mivezivezy no hatao. Manodidina ny 50 ka hatramin’ny 100 ireo mpivarotra voakasiky ny fikisahana mandritra ny fotoam-panamboaran-dalana mba hampahomby ny asa. Haverina amin’ny toerany kosa izy ireo rehefa vita ny lalana. Hifandaminan’ny samy mpivarotra ao an-toerana kosa, ny toerana hivarotan’izy ireo mba tsy hampitsahatra tanteraka ny asany.
Omaly ihany koa, nanolotra fanamiana 350 ho an’ny mpamafa lalana ny PDS-n’ny tanàna. Aron’akanjo 600 hafa ihany koa ho an’ny mpiasa hatrany. Ankoatra izany ny ordinatera 10 ho an’ny mpiasa ao amin’ny lapan’ny Yanàna sy ho an’ny boriborintany I sy IV izay betsaka olona manao kopia sy taratasim-panjakana.
Niompana tamin’ny fanadiovana ny asam-panjakana sy ny fandriampahaleman’ny tanàna kosa no tena nataon’ny PDS nandritra ny dimy volana niasany. Ankoatra izany ny fanadiovana ny tanàna sy fanatsarana ny fitantanana.
Nanao vaindohan-draharaha ny fitiliana ireo fanorenena tsy manara-dalàna ihany koa ny tenany nandritra ny fotoam-piasana. Nampihatra ny lalàna amin’ny fandrodanana ny tranga tsy azo leferina toy ny fanorenana ambony lakandrano…
Tetsy andaniny, tsy nampandefitra ny olona mbola minia manototra tany ny lemaka na faritra iva ny kaominina.
Tatiana A