
Hivelatra kokoa ity andiany faha-12 amin’ny « festival Angaredona » ity. Ankoatra ny fandraisany gadona vaovao, notanterahina omaly, teny amin’ny Hopital psychiatrique Anjanamasina ihany koa ny « musicothérapie ». Tanjona tamin’izany ny hanampiana sy hampifalifaliana ireo manana fahasembanana ara-tsaina, tsaboina eny amin’io toby io amin’ny alalan’ny fihenoana hira sy feon-kira,.
Anisan’ny fanatsarana nentin’ireo tanora mpitantana ny hetsika miaraka amin-dRajery ity fitsaboana amin’ny alalan’ny fihainoana mozika ity. Resy lahatra izy ireo fa mampitony saina ny fihenoana mozika milamindamina ka nanapa-kevitra ny hampiditra ny « musicothérapie » ho ao anatin’ny laharam-pahamehana amin’ity andiany faha-12 ity.
Araka ny fandinihan’ireo manam-pahaizana, manamora ny fitsaboana ireo sembana ara-tsaina tokoa ny « musicothérapie ». Tsy dia matetika no ahitana tahaka izao eto Madagasikara raha efa mahazo vahana any amin’ireo firenena matanjaka any Eoropa izany.
Hitohy eny amin’ny Orchidée Blanche Androhibe, indray ny « musicothérapie », anio amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 11ora. Hisy fampianarana valiha faobe, toy ny isan’andro ihany koa ao amin’ny CRAAM, anrdroany. Hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM kosa ny Grèn Sémé, tarika avy atsy La Réunion, mivoy ny gadona « Maloya », amin’ny 7 ora hariva.
Vicky (Mpiantra asa)