
Nahoana no tsy mivelatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny hira malagasy sy ny mpanakanto malagasy? Namaly io Randriaharimalala Nogabe, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno teratany malagasy monina ela tany ivelany.
Malaza ho manan-karena amin’ny tontolon’ny kolontsaina isika Malagasy. Singa iray ao anatin’izay ny hira. « Matetika anefa rehefa misy mpanakanto na tarika malagasy tonga any ivelany ka manao fampisehoana, Malagasy avokoa ny 90%-n’ny mpijery », hoy Randriaharimalala Nogabe. Raha ny fandinihan’ity mpanakanto nonina naharitra tany Sina sy monina ao Angletrera ankehitriny ity, ilay fomba fanapariahana sy fampahafantarana ary fahaiza-mitrandraka ny tolotra tokony homena ny mpanjifa any ivelany izay efa ananantsika mihitsy no tokony hivoatra.
Nomarihiny fa voakitika manaraka izany koa ny teknika ampiasain’ny mpanakanto te hiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. « Mila amboarina sy ampiarahina kely amin’ilay itiavan’ny vazaha azy (hira) io fahaiza-mifehy ny tontolon’ny « marketing » io », hoy i Nogabe.
Nohazavainy anefa fa amin’ny lafiny iray, ho vitantsika izany ; fa amin’ny lafiny hafa, mety ho sarotra satria somary sarotiny amin’ny kolontsaintsika ihany isika Malagasy. Tsy mbola te hikitika loatra ny hirantsika (gadona, fandrindrana, sns) isika sao very fototra.
Ankoatra ny fahaizantsika mifehy ny kolontsaina, tokony hitrandraka bebe kokoa ireo zava-takin’ny tsena iraisam-pirenena ny mpanakanto malagasy.
HaRy Razafindrakoto