Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70598

Fandravana ny zandarimariam-pirenena : “Fanakorontanana izany”, hoy ny komandin’ny zandarimaria

$
0
0
zandary

Fa iza moa izy no handrava ny zandarimaria? Fandrangitana iny teniny iny mba hanakorontanana ny miaramila sy ny zandarimaria. Vela-pandrika efa nilaozan’ny toetr’andro izany satria na ny lehibeny aza efa niaiky fa miara-miasa hatrany ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoto François Rodin, omaly nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, momba ny fangatahan’ny depiote Razafitsiandraofa Brunel tao amin’ny fahitalavitra iray amin’ny tokony hanafoanana ny zandarimariam-pirenena. Momba ny herisetra nandritra ny fisamborana an’i Jean Pierre, mpitarika ny fihetsiketsehan’ny mpianatra teny Ankatso no nilazan’ny depiote fa herim-pamoretana napetraky ny mpanjanatany ny zandary ka tokony hofoanana.

Hevitry ny depiote Brunel manokana iny fanazavany iny fa tsy amin’ny maha mpitandro filaminana azy intsony satria efa tsy polisy intsony izy. Miara-miasa hatrany eo amin’ny fitandroana ny filaminana ny polisim-pirenena, ny tafika ary ny zandarimariam-pirenena, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police, Rajaobelina  Joachim. Midika izany fa misy ny lonilony eo anivon’ny samy mpitandro filaminana?

Jean Claude


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70598

Trending Articles