
Mitohy hatrany ny “Opération Fahalemana”. Nanao tatitra fohy momba ity hetsika manokana ity ny Cemgam, ny Jly Rasolofonirina Beni Xavier, omaly teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. “Hitan’ny miaramila ny toerana famotsian’omby halatra. Nopotehina ny talata lasa teo koa ny kizo ampiasain’ny dahalo rehefa mandroaka ny omby”, hoy izy. Nohamafisiny fa hapoaka ny herinandro ho avy izao ny kizo iray hafa any an-toerana. Nisy ny vokatra azo nandritra ny “Opération Fahalemana” tao anatin’ny iray volana nanatanterahana ny hetsika : dahalo 26 tratra raha ampolony maro ireo maty voatifitra, basim-borona 40 tratra, miaramila valo maty, 15 hafa naratra mafy. Miisa 2 892 ny omby lasan’ny dahalo. Miisa 2 872 ny omby azon’ny miaramila ka tafaverina tamin’ny tompony ny antsasany amin’ireo. Naiditra fourrière kosa ny ambiny.
Na eo aza izany vokatra izany, tsy voafehy fa vao mainka mihamirongatra hatrany ny asan-dahalo any atsimo. Nanamafy rahateo ny jeneraly iray eo anivon’ny mpitandro filaminana fa hainy ny mifehy io asan-dahalo io raha omena azy. Andrasana, araka izany ny fahaiza-manaony.
Jean Claude