Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70610

Toamasina : rangahy nanolana tovolahy sy tovovavy tsy ampy taona

$
0
0
DIGITAL CAMERA

Sarona tao amin’ny fokontany Vohitsara ihany ny teti-dratsin’ ity raim-pianakaviana iray mpanolana ankizilahy tsy ankizivavy tsy ampy taona ity, rehefa ela ny narahin’ny fokonolona maso. Nitaky fitsaram-bahoaka ny olona, saingy narovan’ny polisy ilay nahavanon-doza, ary atolotra ny fitsarana tsy ho ela.

Voalaza fa nahatratra hatramin’ny sivy ireo tovolahikely manodidina ny 12
ka hatramin’ny 15 taona voaolana, ary miisa enina kosa ny vehivavy. Efa ho telo volana lasa izao, nanao antso ho an’ ireo ankizilahy sy vavy miisa 300 ilay rangahy io fa hanangana ekipa mpanao baolina kitra lahy sy vavy ary basikety lahy sy vavy, ka 12 taona hatramin’ny 15 taona ihany no ilaina. Vokany, nirohotra  nisoratra anarana ireo ankizilahy sy vavy tia fanatanjahatena. Ilay rangahy rahateo, milaza fa ho any Antsirabe sy Fianarantsoa tsy ho ela ny ekipany hanao baolina. Tao anatin’ izay telo volana izay, mandeha tokoa ny fanazaran-tena,  ary nilazany tamin’ ireo ankizy fa hanao « visite » ka nampanantsoina mankany an-tranony tsirairay. Tamin’izany no nanararaotan’ity lehilahy ireo ankizy ireo. Rehefa nitaraina ireto farany, nohamarinina tany amin’ny dokotera ary nosamborina ilay rangahy io. Nofotorana tany amin’ny polisy, ary tratra avokoa ny hadalana rehetra nataony. Araka ny voalaza tery ambony, nitaky fitsaram-bahoaka ny olona, saingy tsy tanteraka izany.

Sajo sy Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70610