Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70581

Kitra – «Mondial 2018» : hidona amin’i Centrafrique ny Barea

$
0
0
Kitra 10 sept

 Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ny Barea de Madagascar. Taorian’ny fandraisana ny Palancas Negras-n’i Angola, eo amin’ny «Can 2017», hampiantrano an’i Centrafrique indray isika eo amin’ny « Mondial 2017».

Ny 23 marsa 2016 indray ny tohin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2017”. Mandra-piandry izany, tsy mbola afaka miala sasatra ny Barea de Madagascar satria hiatrika ny fifanintsanana avy hatrany amin’ny fiadiana ny «Mondial 2018», hatao any Rosia.

Fantatra mantsy fa handray ny ekipan’ny Repoblikan’i Centrafrique, etsy Mahamasina, indray ny Barea, ny alahady 11 oktobra izao. Lalao miverina eo amin’ny roa tonta izy io satria hatao any Bangui, renivohitr’i Centrafrique, ny fihaonana mandroso ny 4 oktobra. Tafita amin’ny dingana manaraka ary hidona amin’ny Liona-n’i Teranga, avy any Sénégal, izay tafavoaka eo amin’ny Barea sy Centrafrique.

Raha tsiahivina, mbola tafaraka ao anaty vondrona «B», miaraka amin’i Madagasikara, ihany koa i Centrafrique eo amin’ny fiadiana ny «Can 2017». Eto Madagasika indray ny lalao mandroso, amin’io dingana io. Marihina fa laharana fahatelo i Centrafrique, ankehitriny, manana isa 3 (-2) ary farany ny Barea, manana isa 1 (-1).

 

Matiantoka ny federasiona

Nanao ny tatitra ara-bola ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), taorian’ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Palancas Negras, avy any Angola, farany teo. Tamin’izany no nahalalana fa matiantoka ny federasiona satria tsy nisy afa-tsy 80 tapitrisa Ar, ny vola azo, tamin’iny fihaonana iny. Mihoatra lavitra noho izay anefa ny vola nivoaka raha tsy hilaza afa-tsy ny fanafarana ireo mpilalao mpila ravinahitra 8 mirahalahy, izay tafanika 80 tapitrisa Ar, niaraka tamin’izany koa ny an’ireo mpitsara efa-dahy sy ny tambin-karaman’izy ireo.

Ankoatra izay, mbola nisy koa ny fampiantranoana ny delegasiona angoley, izay nahatratra 30 tapitrisa Ar. Teo koa ny fanomanana herinandro nataon’ny ekipam-pirenena, izay nandaniana 10 tapitrisa Ar. Nisy koa anefa ireo vola, nankasitrahana ny mpilalao sy ny ekipa teknika.

Nampihena ireo fatiantoka ireo ny fanampian’ny mpanohana, toy ny Telma sy ny Canal Plus ary ny Cnaps, izay nampiantrano ny Barea.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70581

Trending Articles