Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70586

Hihaona amin’ny fanjakana : handray fanapahan-kevitra ny Seces

$
0
0

Hihaona amin’ny praiminisitra  ny mpitarika ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) anio hitondra ny fangatahan’izy ireo. « Mitohy ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny mpandrindra ny Seces ary efa miroso ny fijerena vahaolana mety ho an’ny roa tonta », araka ny fanazavan’ny filohan’ny Seces Antananarivo, omaly.

Miandry ny finiavana politika avy amin’ny fanjakana ny Seces satria tsy resa-bola no olana fa ny fanatanterahana ny didy fampiharana ny lalàna efa tapaka sy vita sonia ny taona 2009.

Efa nanome toky ny filoham-pirenena tany Mahitsy fa milamina ny raharaha satria misy ny mpampianatra efa niasa na eo ihany aza ireo mbola mitokona.

Handray fanapahan-kevitra matotra ny mpampianatra mpikaroka na handray ny fampianarana na tsia, rahampitso, sady hizara ny vokatry ny fihaonana amin’ny praiminisitra ihany koa.

Manoloana izany, miandry ny fanapahan-kevitra ny Seces ny mpianatra izay mitaky hatrany ny hanohizana ny fampianarana.

Vonjy  


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70586

Trending Articles