Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70582

Asa fampianarana : hangatahana vola ny ray aman-dreny

$
0
0
EPP

Efa nivoaka ny caisse école ho an’ny Cisco Avaradrano, raha tokony ho efa azo nandritra ny taom-pianarana 2014-015 izany hanampiana ny fampihodinana ny EPP”, hoy ny lehiben’ny Dren Analamanga. Mitentina 154 000 Ar isaky ny kilasy iray ny lelavola atolotra ny EPP. Nisy ny fahatarana satria nozaraina isaky ny Zone d’administration pédagogique ny sorabola ho an’ny EPP tsirairay tsy hampavesatra ny sorabola ka hisarika ny tomponandraikitra sasany hanodina ny vola amin’ny lalana tokony hampiasana azy.

Hiroso amin’ny fidirana ny sekoly rehetra, ny 21 septambra ho avy izao, ka ny handray ny asany voalohany ny mpiandraikitra ny fitantanana. Hanaraka ny mpampianatra, ny 28 septambra. Efa mandray ny fisoratana anarana ny EPP, CEG ary ny lycée rehetra amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny fandoavana ny latsakemboky ny Fram izay hanefana ny karaman’ny mpampianatra Fram mbola tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana, entanina koa ny ray aman-dreny handray anjara araka izay tratrany. Matetika, tsy maharaka ny fampihodinana ny sekoly ny caisse école ka mandrotsaka izay foiny ireo mampiana-janaka hikarakarana ny efitrano sekoly sy ny kojakoja ao anatiny. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Projet d’établissement contractualisé (Fefi) ity tetikasa ity. Efa nampiharina tany amin’ny faritra Boeny sy Menabe izany ary hanomboka azy ny eto Analamanga, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Dren Analamanga. Hapetraka ny rafitra handrindra ny tetikasa ary entanina hanao drafitrasa madinika ny ray aman-dreny avy amin’ny vola voaangona hampiroboroboana ny asa fampianarana.

Maimaimpoana ny fampidirana ny zaza any an-dakilasy fa fitia tsy mba hetra kosa ny fandraisana anjara angatahana amin’ny ray aman-dreny. Ho an’ny latsakemboky ny Fram, samy mamaritra ny filany ny EPP tsirairay, arakaraka ny isan’ny mpampianatra Fram tokony homena karama. Manomboka amin’ny 5 000 Ar ka hatramin’ny 25 000 Ar izany lelavola izany.

10 ny fitairanana azo momba ny fandraisana mpiasam-panjakana

Mitohy mandray ny fitarainan’ny mpampianatra Fram tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra vonjimaika navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ho an’ny Dren Analamanga, 10 ny antontan-taratasy azo hatramin’izao. Ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra manokana, efa voaray ho mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra Fram latsaky ny 45 taona. Mbola tsy nivoaka kosa ny lisitr’ireo 45 taona no ho miakatra izay ahitana olona 140 eo ho eo.

Vonjy A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70582

Trending Articles