
Mety hiantrainka amin’ny famatsiam-bola ho avy avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny tsy fanajan’ny fanjakana malagasy ny fifanarahana araka ny tokony ho izy. Miankina amin’ny tomban’ezaka ataony izao ny hivoahan’ny 305 tapitrisa dolara na tsia manaraka.
Tsy manaja ny fifanarahana! Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana avokoa ny antsipirian’ny fepetra tsy maintsy arahin’ny andaniny sy ny ankilany. Natao tomban’ezaka, omaly teto Antananarivo, ny manodidina ny famatsiam-bolan’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Araka ny filazan’ny solontenan’ny Bad miasa eto amintsika, Abdelkrim Bendjebbour, misy ny fepetra tsy voahajan’ny fanjakana malagasy, toy ny fe-potoana fandoavana ny anjara volany (fonds de contre valeur), ao anatin’ireny tetikasa na fandaharanasa vatsiny ara-bola ireny. Faharoa, misy koa ny tomban’ezaka ataon’ireo mpanao ny fanadihadiana eto Madagasikara tsy tena mifanentana amin’ny zava-bita ny tatitra avoaka, fa somary misy ny fiangarana na koa fanatsarana tsy araka ny tokony ho izy ny natao.
Manoloana ireo, nilaza ny minisitry ny Tetibola fa tsy tena mitombina izany fanamarihana izany. Anisan’ny antony nahatara ny fandoavana ny anjara volan’ny fanjakana malagasy ny ny tsy fifanandrifian’ny tetibola amin’ny asa tena atao, ka misy ny fandaminana ara-taratasy azy. Niaiky anefa izy fa misy koa ny tsy tomombana amin’ny fomba famoahana ny vola, noho ny antony fikarakarana ny antontan-taratasy eo amin’ny rafi-panjakana isan-tsokajiny.
Tsy mbola fantatra na ho azo na tsia ny 350 tapitrisa dolara
Hiantraika any amin’ny famatsiam-bola manaraka ny valin’ny tomban’ezaka ataon’ny Bad. Ao anatin’izany ny tetibola 350 tapitrisa dolara, hiantohana ny fandaharanasa maro, toy ny fanajariana lemaka, ny fanamboaran-dalana, fandaharanasa manohana ny seha-piharian’ny mponina eny ifotony, indrindra ny fambolena, ny jono ary ny fananganana fotodrafitrasa samihafa. Eo koa ny fanampiana amin’ny fiatrehana na fanarenana ny zavatra simba vokatry ny loza voajanahary, ny famonoam-balala, sns.
Randria