Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70562

Zaka tsara : tsy tompon-draharaha ny vahoaka

$
0
0

Misy fanjakana izao tany izao. Ekena. Miara-mandroso ho amin’ny fampandrosoana ny fitondrana sa samy manao ny ataony? Na samy manana izay zava-dehibe sy mahamaika azy avy.

Tsy misy na tsy hita loatra izay firindrana sy fifamenoana amin’izany. Na eo amin’ny samy mpanatanteraka izany, na eo amin’ny mpanatanteraka sy mpanao lalàna; eny, na eo aza ny hoe fisaraham-pahefana.

Ny hita aza, tsy fisaraham-pahefana fa fisaraham-bazana. Mitady tsy ho fantatra ny hoe: iza no manao inona? Mila fifanarahana andraikitra hisian’ny firindrana sy ny fahamarinan-toerana ny raharaha.

Fiverenana amin’ny lamina teo aloha izany, taorian’ny fiampangana ny filohan’ny Repoblika sy ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Nefa mbola mampisara-kevitra izao izay hoe fifanarahana izay.

Anton’izany ny tsy fisian’ny fangaraharana sy fanazavana? Mifampiahiahy ireo hifampiraharaha. Vao mainka ny mpitazana tsy mahalala. Na ny vahoaka… tsy tompon-draharaha.

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70562

Trending Articles