« Tsy misy fividianana olona eto, fa tokony hojerena ny tombontsoan’ny firenena. » Io ny tenin’ny ny filoha Rajaonarimampianina, teny Mahitsy, afakomaly, manoloana ny hoe omena fiara 4 x 4 sy vola iray miliara Ar ny depiote amin’ny fanaovan-tsonia ny « mémorandum« .
Aoka izay manana izany vola izany hitondrana izany ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Na ny fihainoana izay mivoy ny fisian’ny fividianana olona amin’izany aza, manahirana amin’ny « mémorandum » na fifanarahana andraikitra. Finiavana hametraka ahiahy eo amin’ny fandrosoan’ny adihevitra izany, araka ny fanazavany. Fametrahana ny fahamarinan-toerana io. Mila ny finiavan’ny tsirairay hirotsaka aminy.
Mahatonga ny hoe mila mifampiresaka ny depiote izany; ny filoham-pirenena, hiara-midinika amin’izy ireo momba ny fandaharanasa narosony hametrahana fahamarinan-toerana. Mba tsy hisy intsony ny fitsipahana eo amin’ny adihevitra maro samihafa izany, ary mba hisy ny fandaminana eo amin’ny adihevitra fampandrosoana ny firenena. « Efa vonona ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ny maro anisa », hoy izy.
Tsy mbola nahita inona ny filohan’ny Antenimierampirenena
« Tsy mbola nahita izany aho, ary tsy mbola nifampidinika tao anatin’izany », hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jean-Max, teny Tsimbazaza, afakomaly.
Nisy ny fihaonana tamin’ny filoham-pirenena, izay nanambarany hatrany ny fahavononany hiroso amin’izany.
Heverin’ny filohan’ny Antenimierampirenena àry fa firosoana amin’izany ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ny solombavambahoaka. Misy ny fahavononana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany hiroso, ary heveriny fa efa misy ny fanombohan’ny fifampidinihana.
Sahirana ny vahoaka
Manoloana izany rehetra izany, mbola fanina sy sahirana ny vahoaka. Eo hatrany ny tsy fahampian’ny fanazavana na tsy fisian’ny fangaraharana; eny, tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ny samy mpitondra aza. Nefa fifanarahana no hoe hatao…
R. Nd.