
Tsy nisy nialana intsony ny tovolahy mpanendaka, voafandrika tao anatin’ny fiara mpitatitra olona tamin’ny zotra Ambohimanarina-Anosy, omaly antoandro. Najanon’ny mpamily nifanandrify indrindra ny polisy nisahana ny fifamoivoizana teo Ambodivonkely ny fiarakodia niakarany, nanolorana azy ny mpitandro filaminana nantsoin’ny resevera.
Niakatra tampoka ny fiara tafajanona tanaty fitohanana teo amin’ny sampanana Anosivavaka io tovolahy io. Mpandeha efatra monja no tao anaty fiara ka nisisihany avy hatrany ny lehilahy tokana nitaingina tao ary nalainy an-keriny ny saran-dàlana saika hatolotra ny resevera, araka ny fitantaran’ny vavolombelona. Notombatombanany sy noandrikandrininy io mpandeha teo akaikiny io sady notsapatsapainy ny paosiny ka nialany rehefa tsy lanilaniny. Nifindra nankeo amin’ny tovovavy nipetra-drery teo amin’ny seza nanoloana an’io indray izy ary nibedabeda ny kitapo teo am-pofoan’io mpandeha iray io. Tsy naharitra ilay vehivavy ka nampahafantatra ny resevera fa hidina avy hatrany nefa nosakanan’ilay lehilahy hafahafa ary norahonany tsy hiala tao anaty fiara mihitsy. Nanomboka nitabataba ny mpandeha rehetra ka nifindra, naka toerana teny anoloana akaikin’ny mpamily indray izy. Samy tsy nisy niteny ny mpamily sy ny mpanampiny fa nifanao baiko moana fotsiny ka nijanona tampoka teo amin’ireo mpitandro filaminana ireo ary nampahafantatra azy ny zavamisy.
Noraisim-potsiny teo ilay nikasa hanendaka mpandeha izay nolazain’ny resevera fa efa nanandrana nisintona ny vola teny an-tànany ihany koa. Feno dian-antsy sy ferifery daholo ny vatan’io lehilahy nampihorohoro ny mpandeha io sady saronany fehivava ny tapany ambany amin’ny tavany.
Manou