
Somary difotry ny sokajina mozika na hira mampientana vatana, tao anatin’ny 20 taona mahery ny karazan-kira teto amintsika. Maro tamin’ireny aza no natao ho mozikam-barotra (tsy dia misy ventiny loatra) ka rehefa mihetsika sy ahazoam-bola haingana dia efa raikitra. Andaniam-bola matevina any amin’ny haino aman-jery mihitsy ny fivoizana azy ho dodoria hifantsika any amparahatoky ny mpihaino amin’ny « matraquage ». Vola miditra ve moa hosakanana ?
Na izany aza, toa nifoha tamin’ny torimasony ny mpiangaly mozika misy tonony mifaka amin’ny fanahy sy ny feony tsara rindra kokoa ? Nihaniverina naka toerana tsikelikely indray mantsy izao ny fiangaliana ny hira tsy misy zavamaneno fa fehezina feon’olombelona na ny « a cappella ». Anisan’ny tanora nipoitra tamin’ireny indray ny tarika « Telo sy Telo », niforona tamin’ny taona 2007.
« Mpanala andro »
Toa kilalao ihany no niantombohan’ny « Telo sy Telo ». Nomarihin’izy ireo nandritra ny fandaharana Studio 92 tao amin’ny Alliance 92 fa natao ho fanalana andro sy hamohamo ihomehezana ihany ny nandraisana ny fiarahana voalohany. Mpankafy and-ry Take 6 mbamin-dry Naturally 7 sy ny maro hafa koa anefa izy enin-dahy mpikambana : Stephan (Soprano), Nary (Alto), Zo (Tenor1), Hery (Tenor2), Tanjona (Baryton), Joro (Basse). Maodelin’izy ireo manokana ry AVM nisy an’i Joely, Hiary, Giana, Zadoo sns.
Niantomboka tany anaty antoko mpihira koa ry zalahy ireo, ary nifehy ny karazan-kira rehetra na natao « a cappella » na narahin-javamaneno. « Harmony Call Tribe » no anarana saika hisaloran-dry zareo saingy nitady anarana gasy kokoa ry zalahy. Tsiahivina fa betsaka ny mpihira malagasy sangany niangaly ny filalaovana feon’olombelona toy izao. Anisan’ireny ny Tarika Salala, Senge, Vaovy, Johary, sy ny sisa maro hafa. Na ireo mpihira niainga tamin’ny skoto toa Ny Menafify aza miaina izany, na ampahany ihany aza. Noho izany, tsy lefy laza ny « a cappella » fa sady tsy manavesatra ara-pitaovana no feo voajanahary kokoa.
Hiram-bavaka
Azo ifehezana ny karazan-kira rehetra ny « a cappella ». Velona sy iainantsika rahateo izany, raha tsy hilaza afa-tsy ireo karazan-kira fanao amin’ny beko na jijy sy ireo mitovy lenta aminy. Voajanahary amintsika ny fifehezana feon’olombelona. Tsy vaovao amintsika io, na teny vahiny aza no anarana iantsoana azy.
Saingy araka ny anarany, hira fiangaly anaty trano fivavahana (chappelle) ny « a cappella », izay tsy ampiasana zavamaneno. Ny mpanao zafindraony eto amintsika no mitovitovy aminy, na efa misy mampiasa zavamaneno aza ankehitriny.
Zoelson Randrianindrina