
Niampy 25 indray ireo mpanazatra nahazo fiofanana, avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly teny Carion, izy ireo izay nahitana ireo mpanazatra avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Ulrich Mathiot, manampahaizana avy amin’ny Fifa, no tonga nizara ny traikefany ho azy ireo, izay naharitra hadimiana, nanomboka ny 10 – 14 aogositra lasa teo.
Nifantoka tamin’ny sehatra samy hafa ny fiofanana, toy ny fahaizana mijery ny teknikan’ny mpilalao tsirairay, ny fanomanana mialoha ny fihaonana.
«Any aminareo izao ny baolina, anjaranareo ny mampandroso ny kitra malagasy», hoy, i Jean François Debon, tale teknika nasionaly, nandritra ny lanonana fizarana taratasy fanamarinana, ho an’ireo mpanazatra nanaraka ilay fiofanana.
Notsiahiviny fa nody ventiny ny rano nantsakaina, ary efa nahitam-bokany ireo fiofanana teo aloha, toy ny naha tompondakan’i Afrika ny Barea beach soccer, ary ny nahazoan’ny ekipam-pirenena laharana fahatelo tamin’ny Cosafa.
Tsy hijanona ho an’ireo mpanazatra ihany ny fiofanana, fa hahazo ny anjarany koa ny eo anivon’ny fitantanana sy fitsaboana, ny an’ireo mpanazatra mpiandry tsatoby ary ny an’ireo mpitsara. Anisan’ireo niofana tamin’ity koa ny mpanazatra ny barea sokajy lehilahy sy vehivavy ary ny an’ny beach soccer.
Vicky (mpianatra asa)