Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70662

Rugby – «Top 14 Analamanga» : hisantatra ny lalao ny JSTA sy ny TFA

$
0
0

Hanomboka,  anio asabotsy, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby na ny “Top 14”. Toy ny mahazatra hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka hatrany, izany. Hangotra avokoa ireo fihaonana rehetra. Anisan’ny hidona voalohany ary hisantatra ny fihaonana ny an’ny JSTA Ambondrona sy ny TFA Anatihazo. Ekipa niverina tao anatin’ny “Top 14” ny JSTA ary fileovana tsy zovina amin’ny maro kosa ny TFA (Pilo Kely).

Samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta satria adin’ny samy kartie. Heverin’ny rehetra fa mety hanantombo ny Pilo Kely, noho ny traikefa ananan’ireo mpilalao ao aminy. Etsy ankilany kosa, klioba mahazaka dona ary mailaka Ambondrona. Ankoatra izay, hisedra ny Cosfa (Bebaoty) ny XV Family, solontena faharoan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Efa nanomana fatratra ity lalao ity ny XV Family ka ho hita eo izay hataony, manoloana an-dry Bebaoty.

 Tompondaka

Toy izao ny fandaharan-dalao :

Asabotsy 15 aogositra

(11:00) – JSTA # TFA ; (01:00) – IRC # STM ; (03:00) – USA # UASC

Alahady 16 aogositra 

(09:00) – XV Family # Cosfa ; (11:00) – 3FB # USI ; (01:00) – TFMA # SOE ; (03:00) – FTM # Tam


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70662

Trending Articles