Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Tenisy – «Mada 2015» : voahosotra ho tompondakan’ny U16 i Marcel

$
0
0
tenisy1508

 Niova  tanana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja tenisy ho an’ny sokajy U16 zazalahy. Nisalotra izany indray mantsy Rabenirina Marcel, ho an’ity taom-pilalaovana 2015 ity. 

Nandrombaka ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy U16, taranja tenisy, Rabenirina Marcel, mpianatra ao amin’ny “sport etude”. Resiny teo amin’ny lalao famaranana, tamin’ny seta 2 noho 0 (7/5 ; 6/3), omaly, Rakotondramboa Miary Zo. Fihaonana notontosaina tetsy amin’ny kianja Acsa Ambohidahy.

Tsy niady ny fihaonan’izy mirahalahy satria tsy tafiditra tao anaty lalao mihitsy i Miary Zo. Ny seta voalohany ihany ny hany mba nisy nojerena teo amin’izy ireo. Nitarika tamin’ny “3 jeux à 2”  i Miary Zo,  saingy tsy ela dia nosahalain’i Marcel ary nihoarany mihitsy ka nitarika 5 noho 4 indra izy. Voasahalan’i Miary Zo indray izany, saingy nialaozan’i Marcel, izy avy eo.

Niezaka niarina Rakotondramboa Miary Zo, teo amin’ny seta faharoa, nanao be fiavy ary nitarika tamin’ny “jeu” voalohany. Avy eo, lasa 1 sy 1 ary nifandimbiasana ny nitarika izany, hatreo amin’ny “jeu” fahatelo. Taorian’io nefa, hita ho nikoropaka sy tsy ampy fifantohana i Miary Zo. Betsaka ny baolina very teo aminy izay tokony ho nahazoany isa, saingy na nivoaka ny faritra nilalaovana ny baolina nokapohiny na tafajanona tao anaty harato.

Tetsy ankilany, nanao izay namerenana ny baolina tany amin’ny tanin’i Miary Zo fotsiny  i Marcel, hatramin’ny fiafaran’ny lalao.

Teto amin’ity lalao ity vao afa-bela tamin’i Miary Zo i Marcel. Raha tsiahivina, lavon’i Miary Zo indroa miantoana teo amin’ny sokajy U16 sy U18 i Marcel, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Analamanga, ny taona 2014.

Tsiahivina fa tsy niatrika ity fifaninanam-pirenena ity i Andritoavina, tompon’ny anaram-boninahitra 2014.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Trending Articles