Tontosa, omaly tao amin’ny kianja mitafo Soavita sy kianja CRJS Toamasina, ireo lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U14 zazalahy sy zazavavy. Saika tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana avokoa ireo ekipa goavana.
Anisan’ny tafakatra ny Lucadro (Analamanga) izay hidona amin’ny Mega (Atsinanana), eo amin’ny U14 zazavavy. Hiady tanteraka ity fihaonan’ny roa tonta ity. Samy manana herijika na ny andaniny na ny ankilany. Marihina fa ny Lucadro, nandresy ny ASJA (Analanjirofo) tamin’ny isa mazava, 64 noho 39, teo amin’ny ampahefa-dalana. Ny Mega indray, nandavo ny Ascut (Atsinanana) tamin’ny isa tery, 43 noho 40. Niady ity lalao farany ary nifanenjika hatrany ny isa. Nanantombo tany amin’ny fifehezana ny lalao ny Mega ka tafavoaka.
Ankoatra izay, tafita amin’ny manasa-dalana ihany koa ny Asa (Analamanga), ny DTSC (Analamanga) sy ny AS St-Pierre (Alaotra Mangoro), teo amin’ny sokajy zazalahy. Tsy nampoizina kosa ny vokatra teo amin’ny Cosfa (Analamanga) nidona tamin’iry ekipan’Alaotra Mangoro iry. Nailiky ny AS St-Pierre tamin’ny isa 72 noho 66 ny ekipan’ny miaramila teo amin’ny ampahefa-dalana.
Mbola ady goavana, araka izany, ireo lalao manasa-dalana rehetra eo amin’ireo sokajy roa ireo. Tsy mbola fantatra kosa aloha, hatreto, izay tafita teo amin’ny sokajy “veterans”. Hotaterina anao an-gazety eto ihany ireo vokatra rehetra.
Miary Narindra