Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Minisiteran’ny Fambolena : novatsina masomboly ny mpamboly varialoha

$
0
0
minisitera.jpg

Hiditra amin’ny fikarakarana ny ketsa ny mpamboly varialoha. Saika manao ity fambolena ity avokoa ny ankamaroan’ny tantsaha eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Maro tamin’ny tanimbary no tratry ny safodrano tamin’ny orambe ny fiandohan’ny taona teo. Noho izany indrindra, novatsian’ny ministeran’ny Fambolena sy ny sampandraharaham-paritry ny fampandrosoana eny ambanivohitra DRDRA Analamanga masomboly vary an-drano 7,5 t ny tantsaha ao amin’ny kaominina efatra (Bemasoandro, Ambohidrapeto, Ankadimanga, Fiombonana), distrika Ambohidratrimo. Nomena masomboly 1,7 t toy izany koa ny kaominina Ambohitrimanjaka, Ambohibao Antehiroka, Iarinarivo, Fiadanana, Talatamaty ary Ambatolampy. Mitotaly 9,2 t ireo masomboly ireo, amina velarantany 440 ha ary 2017 ny tantsaha nahazo tombontsoa.

Fitaovana hanamafisana ny vahilava

Nisy koa ny fanomezana hazo bois ronds 4.000, vato moellons 16.000 ary gony hasiana fasika 2.000, hanarenana sy hanamafisana ny vahilava any Bemasoandro sy Ambohitrimanjaka, hitsinjovana ny varialoha, amina velarantany 1.500 ha.

Ho an-dRasendrasoa Desiré, filohan’ny Vondrona tambajotra amin’ny tohodrano (URH) Ambohidrapeto, nangatahan’izy ireo ny hanaovana ny tohodrano sy ny vahilava amin’ny vato sy simenitra. Antony,  malemy ny ankehitriny ka mora simban’ny rano foana isaky ny fahavaratra. Efa hatao ny fanadihadiana mikasika io.

Nilaza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fambolena, Randrianaritiana Pierrot, fa tafiditra ao anatin’ireo paikady dimy faritan’ny ministera ity famatsiana masomboly ity, hanatrarana ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-kanina.

Soavina, Ampanefy, Soalandy.

Njaka A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Trending Articles