
Hanomana ny kongresy nasionaliny ny Sendikà mahaleotenan’ny mpiasa (Sat) ao amin’ny Jirama ny 28 sy 29 aogositra ho avy izao. Mialoha izany, nisy ny trangan-javatra manodidina ity grevin’ny mpiasan’ny Jirama sasany ity, ary anisan’ireo tsy mitokona ny Sat. Omaly, nanamafy ny birao nasionaly sy ny mpikambana nanatrika ny fivoriana fa ny kongresy ihany no rafitra hany manam-pahefana manendry ny filoha sy ny mpikambana ao anatin’ny birao. Mijanona ho filoha nasionalin’ny Sat, noho izany, i Haja Maminirina.
Azon’ny Jirama koa ny fitantanana ny rano
Voakasik’izany koa ny mpitahiry vola, miaraka amin’ireo mpiasa mitokona, saingy tsy nesorina fa miandry ny kongresy voalaza etsy ambony. Nanamarika ny filoha Haja Maminirina fa manohy miasa izy ireo ary manamafy izany ny fahazoan’ny Jirama ny fitantanana ny fotodrafitrasa momba ny rano ao anatin’ny 20 taona ihany koa. Hivoaka amin’ny filakevitry ny ministra amin’ny herinandro ambony ny mikasika io.
Njaka A.