
Efa nandalo nanomana ary tonga hanatontosa i Nono amin’izao fotoana izao. Raikitra ilay seho goavana amin’ny asabotsy, etsy Mahamasina. Fotoana ifanomezany indray amin’ny mpankafy io.
« Hiezaka aho aorian’izao, mba hiverina matetika aty Madagasikara… ». Fampanantenana nataon’i Nono, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, nialoha ny seho farany nataony teto an-tanindrazana, ny taona 2013 io. Volana vitsivitsy talohan’izao, nandalo teto an-tanindrazana indray i Nono, ary nampanantena fa hihaona tsy ho ela amin’ny mpankafy. Efa nomeny ny datin’ny 22 aogositra tamin’izany.
« Fotoan-dehibe homeko ireo mpankafy io, hamaliana ny hetahetan’ny tsirairay. Mampanantena seho matihanina sy feno ho anareo aho », hoy ny nambaran’i Nono, nandritra ny valan-dresaka nataony ho an’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny La Terrasse Ambohijatovo. Ilay seho fiovana ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny asabotsy 22 aogositra izao io, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
« Maro ireo tsy tafiditra ka voatery niverina fotsiny, tamin’ny seho farany nataoko teto, teny amin’ny A&C Ivato. Nataoko ho azy ireo sy ho an’ireo nanontany foana hoe oviana indray ny seho manaraka ity fotoana ity. Mpitendry efa niara-niasa tamiko taloha avokoa ireo hiaraka amiko amin’io. Misy koa anefa mpanakanto tanora izay nampiofaniko ary miara-miasa amin’ny antoko mpihira koa aho », hoy hatrany ny fanazavana nentin’i Nono.
Nanam-potoana kokoa nanomanana ny seho, ka afaka nifanakalo tamina mpanakanto maro i Nono tamin’ity indray mitoraka ity. Antoka hampizotra tsara ny fampisehoana avokoa izany. Fantatra fa haverina tsy misy tomika, toy ny nanaovan’i Nono azy tany am-boalohany sy nahaizan’ny olona maro azy rahateo ireo hira ireo. Ampolony maro no nomaniny, ka mety ankavitsiana amin’ireo ihany no hira vaovao.
Ao anatin’ny vinavinan’i Nono ihany koa ny hanao rakikira. Mety hifangaroan’ny hira taloha sy vaovao io raha ny nambarany, saingy tsy mbola afaka manome fotoana amin’ny mety hahavitany izany izy. Ny azo antoka, hiezaka hiverina an-tanindrazana matetika i Nono.
Zo ny Aina