
Fampirantiana lehibe ! Tabilao mahatratra 120 no miranty etsy amin’ny efitrano malalaky ny Tahala Rarihasina Analakely. Ambohipihaonan’ny mpanao sary hosodoko sy ny mpitsidika ary ny mpankafy ny tontolon’ny sary ny eny an-toerana. Mpiangaly sary hosodoko 12 samy mitondra ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny fitaovana sy fomba fanaovan-tsary samihafa. Ao ny loko menaka, loko rano, pastel, akrilika, sns.
Nomarihin’i Moïse Roland Razanadrakoto, mpikarakara sady mpandray anjara amin’ny « Dia an’hosodoko » fa « mahasarika mpitsidika maro ny fampirantiana, fa vitsy ny mividy. Saika vahiny izy ireny na Malagasy mpanam-bola ». Raha ny fanazavany, tsy mbola mahafoy vola misimisy hividianana sary hosodoko ny Malagasy ». Na izany aza, hita taratra ny fankafizantsika io zavakanto io, « saingy ny hoenti-manana no tsy ampy ». Manamarina izany ireo Malagasy maro mampanao « portrait », raha ny fanazavan’i Moïse hatrany.
Somary sakana ho an’ny Malagasy te hanjifa sary hosodoko ny fahitana io vidin-tsary io. « Menatra ny hiady varotra isika raha vao mahita ilay vidina tabilao. Azo atao tsara anefa izany amin’ny maha Malagasy », hoy hatrany i Moïse. Ho an’ny sary hosodoko « portrait », 30.000Ar. ny refin-taratasy A4. 60.000Ar. kosa ny refin-taratasy A3. Nohazavain’ity mpanao hosodoko ity ihany koa fa mbola mipetraka ho olana ankehitriny ny fahalafosan’ny fitaovana ampiasaina sy ny tsy fahampian’ny toerana ahafahana mampivelatra ny talentan’izy ireo.
Anisan’ny mampiranty ny sanganasany ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely i Moïse, Arthur, D’Ange, Randriantsoa Lala, Naivo Haja, Dolf, Mahenina, Liva Rajaobelina, Dina, Ralombo, Rabeza, José Nirina.
Ny 25 aogositra izao no hifarana ny fampirantiana « Dia an’hosodoko » etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.
HaRy Razafindrakoto