
Mandray anjara amin’ny fampirantiana momba ny sakafo any Milan, Italia, i Madagasikara nanomboka ny 1 mey, tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 oktobra 2015. Lohahevitra noraisin’i Madagasikara mandritra izany fampisehoana ara-tsakafo izany ny “Famantarana ireo zavamananaina an-dranomasina sy sakafo ara-pahasalamana maharitra”. Tonga any an-toerana ny filoha, Rajaonarimampianina Hery, niantso ireo mpandraharaha vahiny hampiasa vola aty Madagasikara, indrindra amin’ny sehatry ny orinasa madinika sy salantsalany, hitrandraka momba ny fambolena, hisian’ny sakafo ara-pahalsamana sy ampy. Betsaka ny azo atao amin’izany eto an-toerana.
Aseho amin’io fampisehoana io koa ny kolontsaina malagasy, azo hoentina hitrandrahana ny fanarenana ny toekarena eto an-toerana. Koa nanao antso amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ny filoha Rajaonarimampianina Hery, ho avy aty Madagasikara, handray anjara amin’ny ady atao amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Betsaka rahateo ireo mpandraharaha vahiny tonga nitsidika ny tranohevan’i Madagasikara, ahitana sakafo mampiavaka ny Malagasy sy vatosoa isan-karazany.
Nisy koa ny fitsidihana ny tranohevan’i Egypta, Maraoka, Italia nataon’ny filoham-pirenena sy ny fihaonany tamin’ireo mpandraharaha italianina. Ary nifampiresaka tamin’ireo teratany malagasy monina any Italia izy. Firenena 144 mandray anjara amin’izany fampisehoana any Milan izany.
R.Mathieu