Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70652

Tapatapany

$
0
0

Trafikana fitaovam-piadiana: Saron’ny mpitandro filaminana ny talata lasa teo ny toerana iray famokarana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna eny Anosipatrana. Basy vita gasy miisa dimy sy bala miisa roanjato ary « mass 36 » iray no hita tao an-toerana niaraka tamin’ireo fitaovana famokarana ireo fitaovam-piadiana. Olona enina no nosamborina sy voarohirohy ho niara-niray tsikombakomba tamin’ity trafika ity ary ahian’ireo mpitandro filaminana ho mpamatsy ireo dahalo any Bongolava sy Mahatsiatra Ambony.

Vola sandoka: Vola sandoka mitentina 5.440.000ariary no tra-tehaky ny polisy ao Ranohira. Nosamborina ihany koa ny olona izay nitondra ireo vola ireo. Araka ny vaovao azo tany an-toerana dia olona tsara sitrapo no nilaza tamin’ireo mpitandro filaminana ny ahiahiny tamin’ireto olona roa ireto ka nahafahan’ny kaomisaria tao an-toerana nanao ny fisavana.

Fiompiana tantely: Misedra olana ankehitriny ny fiompiana tantely ao amin’ny faritry Sofia sy Andranovo ary Befandriana Avaratra nohon’ny tsy fahampian’ny takelaka kesika hoy ireo mpikambana ao anatin’ny Fikambanan’ny Mpiompy Tantely ao Andranovo. Araka ny fanazavan’izy ireo, na dia misy aza ny fanampian’ny orinasa “Prosperer” ireo mpiompy amin’ny fandoavana ny atsasa-bidin’ireo takelaka dia mbola tsy vitan’ireto mpiompy ireto ihany ny manefa hatramin’ny farany ny vidin’ny kesika rehetra nohon’ny vidiny voalaza fa lafo loatra. Mbola mitohy mamono ireo tantely ihany koa anefa ny aretina “varroase” araka ny fampitam-baovao hatrany.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70652

Trending Articles