Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70849

Antsirabe : miofana momba ny fihetsika ara-pahasalamana ny fianakaviana.

$
0
0
antsirabe

Notanterahina tao amin’ny foibe FLM Faravohitra Antsirabe tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana nokarakarain’ny Unicef ary vatsin’ny Fid ara-bola. Mikasika ny fihetsika ara-pahasalamana mahomby ho an’ny fianakaviana ny asa. « Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Vatsin’ankohonana », misy mpandray anjara 25 mianadahy  ny fampiofanana », araka ny nambaran’ny médecin inspecteur avy ao Betafo, ny dokotera Rabenirina Mamitiana Pierre. Mitondra fanampiana ara-bola 20 000 Ar isan-tokantrano ho an’ireo fianakaviana sahirana miisa 5 800, ao anatin’ny distrikan’i Betafo, izany. Mahasahana ny fampianarana ny zanak’izy ireo ary natomboka ny taona 2014.

Ny andiany faharoa kosa, miompana indrindra amin’ny fampiofanana mpampiofana vaovao mahasahana ny fahasalamana ankapobeny ho an’ny fianakaviana. Ao anatiny ny rano fisotro madio ara-pahasalamana, ny fomba fanasana tanana, ny fampiasana lavapiringa. Manampy ireo ny fizaham-pahasalamana ho an’ny reny bevohoka sy ny ankizy.

Mbola hisy koa fampiofanana vaovao hatao ao Betafo, ny 24-26 aogositra ho avy izao, araka ny nambaran’ mpitsabo mpanara-maso ihany. Mpandray anjara 125 izay mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony no hiofana amin’ireo fotoana ireo. Mahasahana ny PFE ihany ny fiofanana mialoha ny fampiharana azy any amin’ireo fianakaviana 5 800 mpisitraka.

 

Jeannot Ratsimbazafy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70849

Latest Images

Trending Articles