
Afaka hiatrika fanadinana am-pitoniana ny mpiadina amin’ny bakalorea amin’ny alatsinainy izao. Niravina ihany ny olana rehetra ary efa vonona ny lafiny teknika rehetra, hoy ny fanambaran’ny talen’ny ofisin’ny bakalorea omaly.
Raikitra ihany ny bakalorea 2015. Efa nihaona tamin’ny mpikambana amin’ny Seces birao nasionaly sy ny birao amin’ny sampana Antananarivo ny filohan’ny oniversite, ny alakamisy hariva teo, ary niravona ny olana. « Nanaiky ny hikarakara sy handray anjara amin’ny bakalorea indray ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo », hoy ny fanambaran’ny filohan’ny oniversite, Ramanoelina Panja, omaly teny Ankatso. Vonona rahateo ny lafiny teknika rehetra ho an’ny bakalorea manomboka amin’ny alatsinainy izao.
11 taona ny zandriny indrindra, mpianatra ankizivavy sokajy D avy amin’ny sekoly tsy miankina La Creative Ambohitsoa, Antananarivo. Mpiadina tsotra tsy natolotry ny sekoly ny zokiny indrindra, 72 taona, ary monina eto Antananarivo ihany koa. Mahatratra 69 933 ny mpanala bakalorea ka ny 64 964, amin’ny fampianarana ankapobeny, 4 969 ny sampana teknika. Valo ny mpiadina vahiny. Maro anisa, 44 785, ny mpianatra nisafidy ny sokajy A2, vitsy indrindra ny sokajy C, ahitana mpiadina 3 412. Manetsika olona 5 850 ny fanadinana bakalorea amin’ny mpanara-maso sy ny lehiben’ny foibem-panadinana 94 eto Antananarivo sy ny manodidina. 15 ny mpiadina manana fahasembanana mandray anjara, 13 manana olana amin’ny fahenoana. « Nidina ny isan’ny mpiadina nisafidy ny sokajy C sy teknika ho an’ity taona ity », hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny ofisin’ny bakalorea, Rakotoarison Olivier.
Momba ny fanadinana fanatanjahantena am-bava, 1 906 ireo hiatrika izany.
Afaka manome « duplicata » ny ofisin’ny bakalorea
Mahakasika ny taratasy fiantsoana, tokony ho efa naharay ny azy avokoa ny mpiadina rehetra. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiasan’ny Paositra nanarenana ny lesoka nitranga farany teo, nandritra ny taranja fanatanjahantena. Mbola misokatra tsy miato hatramin’ny alahady ny biraon’ny ofisin’ny bakalorea eny Ankatso. Azo hamarinina ao anaty lisitry ny anaran’ny mpiadina, raha hita fa tafiditra ao anatiny izy, manome duplicata amin’ny taratasy fiantsoana ny mpiandraikitra ny ofisy. 30 minitra mialoha ny fanombohana no tokony ho tonga eny amin’ny foibem-panadinana ny mpiadina rehetra. Mila manamarina tsara ny fahafenoan’ny mombamomba azy rehetra koa izy mialoha ny hanidiana ny taratasim-panadinana izay mbola asian ’ny mpanara-maso sonia. Mialoha ny hivoahana ny efitrano, tokony hanisy sonia ny procès-verbal de salle ny mpiadina.
Vonjy A.