Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647

Fanambarana ny voka-pifidianana : manaitra ny fitsarana, tsy hiteraka korontana ny Mapar

$
0
0
Mapar

Tsy afaka ny hangina sy hiandry am-pitoniana ? Nitondra ny heviny manoloana ny voka-pifidianana amin’ny ankapobeny natao ny 31 jolay teo ny Mapar. Nanaovan’izy ireo antso avo  koa ireo tompon’andraikitra isan-tokony.

 Efa misy ny fitoriana napetraka ho fiarovana ny safidim-bahoaka. Koa miantso ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) izahay mba tena hijoro ka hitsara araka ny lalàna, ny rariny sy ny hitsiny, tsy hisian’ny korontana lonilony hamotika ny fiarahamonina eny ifotony”, hoy ny fanambaran’ity vovonana naorin-dRajoelina ity, novakian’ny kandidà sady depiote, Razanamahasoa tetsy Andrainarivo, omaly.

      Nilaza ho tsy manery ny fitsarana izy ireo amin’izany fanambarana izany fa ny vahoaka naneho ny safidiny no nahatonga azy ireo hiroso amin’izao dingana izao. “Apetrakay eo amin’ny fieritreretan’ny mpitondra sy ny mpitsara izany manoloana ny vahoaka”, hoy ny mpitondra teny, Pierre Houlder.

Tsy mbola nisy fifidianana feno hosoka tahaka iny

Nohamafisiny fa tsy mbola nisy fifidianana feno hosoka sy hala-bato tahaka izao teto amin’ny firenena tamin’ireo mpitondra nifanesy ka nampijoroana vavolombelona maromaro avy any amin’ny faritra. Anisan’izany, ny fivadihan’ny vokatra tao Ambatomanga Manjakandriana, ka naha resy ny vadin’i Rossy, Rahasimanana Josephine amin’ny elanelam-bato telo.

     Notsindrin-dRazanamahasoa Christine koa fa vondrona lehibe eto amin’ny firenena, miainga amin’iny fifidianana iny sy ny fifidianana teo aloha : filoham-pirenena sy depiote ny Mapar. “Porofon’izany ny nahazoana ireo renivohi-paritany efatra; ahitana an’i Toamasina, Antsiranana, Mahajanga ary Fianarantsoa… Aza hadinoina fa kitro ifaharan’ny fampandrosoana isam-paritra ireo renivohi-paritany ireo”, hoy ihany izy.

Hiverenan-dRajoelina eo amin’ny fitondrana

Tsiahivina anefa fa mbola ilaozan’ny tsy miankina sy ny Tim eo amin’ny fananana isan’ny ben’ny Tanàna ny Mapar raha ny vokatra vonjimaika. Tsy nihoatra ny dimy koa ireo ben’ny Tanàna azon’izy ireo eto amin’ny faritanin’Antananarivo. “Manamafy ny fitokisan’ny vahoaka aminay izany”, hoy ihany anefa ny fanambarana.

Naverimberin’ireo nandahan-teny rahateo fa antoka hiverenan’ny mpanorina ny Mapar, Rajoelina eo amin’ny fitondrana avokoa izany.

      Mbola notsiahivin’izy ireo koa fa tokony ho nihintsana noho ny maha PDS azy ny kandidàn’ny HVM ao Fianarantsoa, ankoatra ny fitanana an-tsoratra tsy manara-dalàna. Raha ny vokatra vonjimaika omaly, tany an-toerana, mitarika amin’ny 36% mahery ny HVM raha maherin’ny 35%  kosa ny an’ny Mapar.

Manoloana izany, nilaza ho tsy mbola handray fepetra ny Mapar fa hiandry ny voka-pifidianana ofisialy…

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647

Trending Articles