
“Aoka ho tony isika eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy. Tsy handeha amin’ny laoniny ny raharaham-pirenena raha miseho ny korontana. Tsy tokony hisy koa ambonin’ny lalàna… Isaorana ny vahoaka fa milamina ”, hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas sy Cathy tetsy Antaninarenina, omaly.
Nitondran’izy ireo vahaolana koa izao mahazo ny firenena amin’ny grevy samihafa izao. “Mangataka ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana izahay mba handinihana ny fanitsiana ny tetibola. Anisan’ny mahatonga izao tranga rehetra izao ny tsy nahavitana izany ka kenda ny andrimpanjakana, tsy afa-mamaha olana”, hoy ihany izy ireo.
Nanao antso avo amin’ireo depiote namany izy ireo mba hiray feo hanavotra ny firenena aloha, na eo aza ny firehana tsy mitovy.
Momba ny “Fifanarahana mitaky andraikitra”, nambaran’ny HCC kosa, mazava ny azy ireo fa fifampizarana andraikitra tsy mifampitsabaka izany. “Mba ahafahana mandroso”, hoy izy ireo.
Synèse R.